
Ny asabotsy teo, nidodododo teny amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha ny fianakaviamben’ny orinasa Orange Madagascar, notarihin’ny tale jeneraly, Michel Barré, sy ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Randriambeloma Josie.
Nanolotra vary 11 taonina ho an’ireo traboina sy tratran’ny kere izy ireo tamin’izany. Efa nisy ny tolo-tanana nataon’ity orinasa ity raha vantany vao nisy ireo traboina. Vary 19 taonina no natolony mivantana ireo fokontany voakasik’izany tamin’ny 10 febroary lasa teo. Ny vary 25 taonina kosa, alefa avy hatrany amin’ny faritra vatovavy fitovinany, Menabe, Anosy ary Androy.
Mitotaly 55 taonina, araka izany, vary natolotr’ity orinasa ity hamonjena ny Malagasy traboina sy iharan’ny krizy ara-tsakafo. « Anjaranay ny mandray andraikitra manoloana izao fahavoazan’ny Malagasy izao amin’ny maha orinasa miasa ho an’ny vahoaka anay », hoy ny talen’ny orinasa Michel Barré.
Tatiana A
Cet article Orange Madagascar : 55 taona ny vary natolotra est apparu en premier sur NewsMada.