Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Kitra – «Can 2015» : tompondakan’i Afrika ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

$
0
0
Equatorial Guinea African Cup Soccer

 Nody any Côte d’Ivoire ny amboaran’i Afrika 2015. Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana ny Kintana maintin’i Ghana. Fanindroany amin’izao no nandrombahan’ny Ivoarianina izany.

 Niverina ny tamin’ny 1992. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny Ganeanina, teo amin’ny famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Can 2015”. Fihaonana notontosaina, tao amin’ny kianja Estadio de Bata, Ginea Ekoatorialy, omaly alahady. Tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, toy ny nitranga 23 taona lasa, vao tafavoaka ny Elefanta. 9 noho 8 no nisarahan’ny roa tonta, ary tany amin’ny mpandaka faha-11 izay nifanandrinan’ny samy mpiandry tsatoby no nitsarana izay ho mpandresy. Tsy nahatafiditra ny dakany i Razak. Barry Copa kosa, nahafaty ny azy, ary nahavoahosotra ho tompondaka ny Elefanta, ho an’ity andiany faha-30 ity.

Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko tao anatin’ny 90 mn nilalaovana sy tao anatin’ny fanalavam-potoana 15 mn, indroa miditra. Samy nanana ny fotoana tokony hamonoana baolina ny andaniny sy ny ankilany. Indroa ny Ganeanina saika nahakobana ny harato, saingy nidona tamin’ny tsatoby hatrany ny dakan’i Atsu (26 mn) sy ny an’i A. Ayew (36 mn). Teo koa ny dakan’i Gradel, ho an’i Côte d’Ivoire (16 mn), izay nanoloana irery ny tsatoby nandrasan’i Razak, saingy nivoaka.

Samy indroa nandrombaka ny “Can” izany izao ny Elefanta sy Hervé Renard, mpanazatra. Atsu no voahosotra ho mpilalao mendrika.

 Lasan’i RD Kongo ny medaly alimo

 Nandrombaka ny laharana fahatelo ny Leopards-n’ny RD Kongo izay nandavo ny Nzalang Nacional-n’i Ginea Ekoatorialy, mpampiantrano. Tamin’ny alalan’ny fandakana ny «tirs au but» ihany koa, 4 noho 2, no nibatan’ny Kongoley ny medaly alimo.

Fantatra fa voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny “Can 2017” sy 2019 ny Lions de l’Atlas-n’i Maraoka. Noho ny tsy naneken’ny Maraokanina hampiantrano ny “Can 2015” ny anton’izany sazy izany.

Ankoatra izay, mbola terena ihany koa handoa onitra, 882.000 euros ry zareo. Mbola misy koa ny vola 8.050.000 euros takin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), amin’ny federasiona maraokanina, noho ny fatiantoka ara-materialy, efa nanomanana io fihaonana io.

Tsiahivina fa ny 8 avrily ho avy izao, mandritra ny fivoriamben’ny kaonfederasiona, tanterahina any Le Caire, Egypta, no hanendrena izay firenena hampiantrano ny andiany faha-31, ny taona 2017. Firenena efatra no ho kandidà dia Alzeria, Egypta, Gabon ary Ghana. Lybia no efa voatendry teo aloha, saingy nesorina tamin’izy ireo noho ny korontana ara-politika misy any an-toerana, amin’izao fotoana izao.

 Tompondaka

Cet article Kitra – «Can 2015» : tompondakan’i Afrika ny Elefantan’i Côte d’Ivoire est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Trending Articles