
Ny ekipan’ny 3FB no tafavoaka hiatrika ny famaranana, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja rugby. Resin’izy ireo, tamin’ny isa tery, 38 noho 36, ny TFMA, omaly tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Lalao naverina izy ity, ka niainga tamin’ny isa nilalaovany tamin’ny herinandro ny roa tonta. 20 noho 16 izay ny 3FB no nanantombo. Niady hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny fihaonana satria nifanenjehana hatrany ny isa teny amin’ny solaitrabe. Ny 3FB hatrany no nitarika, saingy naka isa tsimoramora tamin’ny alalan’ny «coup de pied de pénalité» ny Boaikely manohitra ary nifanaiky, tany amin’ny 5 mn tsy hiravana. Taraiky loatra nefa vao nifoha tamin’ny torimasony ny TFMA, nampiseho ny fanafihany ka tsy tratra intsony ny tombony efa azon’ny 3FB, izay nahay niaro tena. Ny FTM Manjakaray no hidona amin’ny 3FB eo amin’ny famaranana ny alahady ho avy izao.
Teo amin’ny D2 kosa, ny XV Family sy ny JSTA Ambondrona no hanao ny famaranana. XV Family, nanilika ny Nanoa teo amin’ny manasa-dalana ilany ary resin’Ambondrona tamin’ny moka fohy, 13 noho 11, ny FBM Bemasoandro. Ireo ekipa roa ireo ihany koa no hanao ny “inter-section”.
Tompondaka
Cet article Rugby – «Top 6 Analamanga» : tafita ihany ny 3FB est apparu en premier sur NewsMada.