Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fanarenana ny RN44 : mihazakazaka ny fivoaran’ny asa

$
0
0
AMBATONDRAZAKA

 Tsy miandry ela ny asa. Nanomboka, omaly, sahady ny asan’ireo tekinisianina amin’ny fanohizana ny fanarenana ny RN44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka, taorian’ny fampiantsoan’ny depiote Andriamasimanana Auréline sy ny Fiadidiam-paritry ny Asa vaventy tao an-toerana. Novorian’ny depiote ireo mpiara-miombon’antoka toy ny orinasa tsy miankina (KRAOMA sy MADARAIL) sy ireo mpitatitra, ankoatra ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny tekinisianiny.

Nanolo-tanana avy hatrany tamin’ny alalan’ny fampindramana ireo milina goavana ny KRAOMA. Niditra avy hatrany tamin’ny fandraofana ireo fotaka mandrevo ireo tekinisianina. Izay rahateo no heverina ho laharam-pahamehana, alohan’ny fandrarahana vatokely amin’ireo lavadavaka isan-karazany. Araka ny fampitam-baovao avy any Ambatondrazaka, hitohy avy hatrany amin’ny fijerena ny tanjak’ireo tetezan-kazo miisa fito, mahatonga ny fahatapan-dalana matetika any an-toerana izany. Marihina fa tsy misy hatahorana ny momba ireo tetezan-kazo ireo mandra-pifaran’ny fahavaratra, araka ny filazan’ireo.

Na izany aza, fantatra fa hanomboka tsy ho ela ny tena asa fanamboarana tanteraka ity lalam-

pirenena faha-44 ity, raha vantany vao mitsahatra ny fotoanan’ny orana. Ny fivoahan’ny vola sisa no andrasana. Raha ny vinavina, ho vita tanteraka amin’ ity taona ity iny RN44 iny,

raha tsy misy ny sakantsakana isan-karazany.

 Zo. Ra.

Cet article Fanarenana ny RN44 : mihazakazaka ny fivoaran’ny asa est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles