Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Tomban’ny Bianco : hisy lalàna hanenjehana orinasa manao kolikoly

$
0
0
Bianco

 Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony ny lalàna anenjehana ny mpanao kolikoly. Anisan’ny fanamarihana nivoaka nandritra ny atrik’asa niarahan’ny Bianco sy ny sampan-draharahan’ny Firenena mikambana (ONU) misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fandikan-dalàna iraisam-pirenena (UNODC) tao amin’ny tranon’ny minisiteran’ny Teti-pivoarana, Anosy io, omaly.

Ankoatra ny fitsidihana ny Bianco, nanaovana tomban’ezaka ny fifanarahan’ny lalàna sy ny rafitra eto amintsika momba ny ady amin’ny kolikoly. Notsiahivin’ny mpanolo-tsaina teknika ao amin’ny Fiadidiana ny Bianco, Lamina Boto Tsaradia, misy andininy mampirisika ny firenena handray lalàna sy hametraka ny rafitra rehetra amin’izany ny fifanarahan’ny ONU.

Hisy ny fanatsarana hatao eo amin’ny lafiny araka ny lalàna izay tsy maintsy hahitsy na hampifandrindrana amin’ny zavatra hita eny amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’izany, ohatra, ny fomba fanoratra ao amin’ny lalànantsika amin’ny resaka kolikoly mandray sy kolikoly manome. Ao koa ny fampidirana zava-baovao eo amin’ny famotsiam-bola. « Araka ny lalàna teo aloha, tsy afaka manenjika orinasa isika, nefa mety misy tafiditra izy ireo amin’ny fanaovana kolikoly ka tokony henjehina toy ny olombelona manao kolikoly izy ireny », hoy ny mpanolo-tsaina teknikan’ny Bianco.

 Tokony harovana ny mpampihatra lalàna

 Lesoka amin’ny lalàna eto amintsika koa ny lafiny fiarovana ireo miady amin’ny kolikoly. Misy ny fepetra fiarovana ny mpitoroka sy ny vavolombelona. Notsiahivin’ny mpanolo-tsaina teknikan’ny Bianco anefa fa tsy azo hadinoina ny fiarovana ireo mampihatra lalàna. Tafiditra ao anatin’izany ny mpanao famotorana sy fanadihadiana toy ny Bianco ary indrindra ny mpitsara hampihatra ny lalàna sy hamoaka didy. « Tsy manana fandaharan’asa ankapobeny amin’izany isika izay efa nilaozan’ny toetr’andro », hoy izy.

Lehibe tao anatin’ny tombana koa ny fanatsarana sy fanatevenana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena satria misy ny kolikoly amin’ny toe-karena. Eo amin’ny fiarovana ny harena sarobidy, ohatra, ilàna fiaraha-miasa amin’ny firenen-kafa, araka ny fanazavana. Tsy mijanona amin’ny fiarovana fa eo indrindra koa ny hahafaha-mamerina ireo harem-pirenena nahondrana an-tsokosoko. Misy ny kolikoly matoa tafavoaka ireny.

 Hisy fifanomezan-tanana

 Fitaratra i Nigéria eo amin’ny fanenjehana ny kolikoly. Anisan’ireo manao tombana ny dingana vitan’i Madagasikara miaraka amin’i Nicaragua sy ny UNODC rahateo izy ireo. Nomarihin’i Lamina Boto Tsaradia, noho izany, fa nahita vokatra tsara io firenena io tamin’ny fanenjehana kolikoly iraisam-pirenena. Nisongadina izany tamin’ny famerenana harem-pirenena nivoaka ny taniny. Vola an-tapitrisany dolara no tafaverin-dry zareo amin’izay fahaizany izay.

Hisy, noho izany, ny fanohanana antsika sy fifanomezan-tanana avy amin’ireo efa manana traikefa amin’izay ady amin’ny kolikoly izay sy ny UNODC eo amin’ny fanohanana ara-teknika. Efa hita soritra ihany ny fomba hanaovana izany na fandrafetana lalàna na fandrafetana tetik’asa izay hoentina amin’ireo mpiara-miombon’antoka.

 Zo. Ra.

Cet article Tomban’ny Bianco : hisy lalàna hanenjehana orinasa manao kolikoly est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles