Mizotra miandalana ny dingan’ny fampihavanana tarihin’ny FFKM. Nitohy teny amin’ny Lapan’ny Kolon-tsaina sy ny Fanatanjahan-tena, Mahamasina, omaly, ny fivorian’ny FFKM sy ireo solontenan’ny filoha dimy. Araka ny fantatra, mbola dingan’ny fanomanana ilay ho fidinana ifotony kasain’ny mpampihavana FFKM hatao amin’ny volana marsa ho avy izao izany. Ho avy mandritra ity volana ity rahateo izay fidinana ifotony izay.
Tsiahivina fa amin’io volana marsa io no hisian’ny dinika sy fihaonana an-tampony iarahana amin’ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena, aorian’ny fahavitan’ny dinika any amin’ny faritra. Izay ilay nambara ho fandraisan’anjaran’ny rehetra katsahin’ny FFKM. Noho izany, na tsy eto an-toerana sy tsy mandray anjara mivantana intsony aza ireo filoha dimy amin’ny fanomanana izany, miroso ity dingan’ny fampihavanana tarihin’ny FFKM ity. Ny antony, betsaka ny raharaha sahanin’ireo filoha teo aloha rehetra sy ny filoham-pirenena ka tsy hanelingelina azy ireo ny ray aman-drenim-piangonana. Tsiahivina fa mifototra hatrany amin’ireo « F » efatra : fiaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana ary fampihavanana ny fampihavanan’ny FFKM.
Zo. Ra.
Cet article Fampihavanan’ny FFKM : nivory mangina ireo avy amin’ny filoha dimy est apparu en premier sur NewsMada.