Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Grand Pardon : « Tokony hisy vaomieran’ny fampihavanana ao Tsimbazaza »

$
0
0

 Mbola saro-dalana ny fampihavanana eto amintsika. Nanterin’ny faribolan’olon-tsotra Grand Pardon –Ny Fifamelana indray, omaly, fa tsy azo avela irery amin’ny asa niantsorohany ny FFKM fa tohanana. Ankoatra ireo fikambanana na firaisa-monina sivily nijoro ho mpampihavana sy tsy maintsy hampihavanina, nametraka koa ity faribolan’olon-tsotra ity fa tokony hatsangan’ny depiote ao Tsimbazaza ny vaomiera parlemantera misahana ny fampihavanana. Tsy hifantoka amin’ny fampihavanana ny izy samy izy ao amin’ny Antenimieram-pirenena izany fa hijery kosa ny fampihavanana ny samy Malagasy.

Anisan’ny himasoan’ity vaomiera ity, araka ny fanazavan’ny faribolana Grand Pardon ny fijerena ny hoe ampy ve, ohatra, ny fiaiken-keloka nataon’ireo filoha dimy mirahalahy teo anatrehan’ny Filoham-piangonana FFKM farany teo? Midika izany fa tokony hisy koa ny fiaiken-keloka avy amin’ireo mpanara-dia azy ireo avy, indrindra eo amin’ny samy mpanao politika ankehitriny koa. Voakasik’izay fiaiken-keloka izay koa na hatramin’ireo vondrona na andrim-panjakana mijoro ho mpampihavana aza. « Raha tsy mihavana ny mpampihavana, tsy ho tafita ny fampihavanana », hoy ihany ny fanamafisana nataon’ny Grand Pardon.

 Zo. Ra.

Cet article Grand Pardon : « Tokony hisy vaomieran’ny fampihavanana ao Tsimbazaza » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles