Hanome fanampiana sy tolo-tanana, ho an’ireo atleta hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2015, hotanterahina atsy amin’ny Nosy La Réunion, ny fikambanan’ireo atleta niatrika ny lalao Olympika “Amao”. Io no nambaran-dRakotozafy Rosa, filohany, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy Antsakaviro, omaly. Ny vola azo amin’ny hazakazaka ho an’ny firaisankinan’ny vehivavy, hotanterahina ny alahady 22 marsa ho avy izao, no hatolotr’izy ireo, ho an’izay hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany fihaonana izany.
Ankoatra izay, nambarany fa tsy manana kandidà hatolotra amin’ny fifidianana, izay ho filohan’ny komity olympika malagasy (Com) ny Amao, saingy malalaka kosa ny mpikambana rehetra amin’izay mitady fiaraha-miasa aminy. Mahakasika ilay hazakazaka kosa, hizara telo ny fifaninanana, izay efa miditra amin’ny andiany fahatelo. “Relais” na hazakazaka mifampitohy no atao ka hisy ny an’ny vehivavy irery, eo koa ny an’ny lehilahy ary ny “mixte”, izay ifangaroan’ny lehilahy 5 sy vehivavy 5. Tsy miova ny halaviran-dalana fa 2, 500 km. Eny amin’ny kianjan’Alarobia Ny fiaingana ary etsy amin’ny lapan’ny Tanàna kosa, ny fahatongavana. Tsy afaka mandray anjara ireo atleta manana kara-pilalaovana ao anatin’ny taranja atletisma. Ny vadin’ny filoham-pirenena, miahy mivantana ity fihaonana ity. Izy avokoa no hanome ny amboara sy medaly, ary ny “tee-shirt” homena ny mpandray anjara sy ny mpandresy amin’ity.
Tompondaka
Cet article Lalaon’ny Nosy 2015 : hanampy ireo atleta ny Amao est apparu en premier sur NewsMada.