Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Kitra – «Can 2015» : 30 taona aty aorian hifandona i Côte d’Ivoire sy Ghana

$
0
0
ayew

 Hikatona rahampitso alahady, ny andiany faha-30 amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra. Hamarana izany ny Kintana maintin’i Ghana sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.

 

Hifantoka ao amin’ny kianja Bata, Ginea Ekoatorialy avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, rahampitso alahady. Ho fantatra eo mantsy izay hibata ny amboaran’i Afrika, ho an’ny baolina kitra «Can 2015». Ghana sy Côte d’Ivoire, no hamarana izany. Lalao hanomboka amin’ny 10 ora alina aty amintsika.

30 taona aty aoriana, hiverina hifandona indray ny roa tonta, eo amin’ny famaranana amin’ny “Can”. Raha tsiahivina, ny taona 1992, ireto firenena roa tonta ireto no niatrika izany, tany Senegal. Ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, tamin’io no nandrombaka izany. Tamin’ny alalan’ny fandakana ny “tirs au but”, 11 noho 10 no nisarahan’ny roa tonta. Tsy nisy baolina maty nandritra ny 90 mn nilalaovana sy tao anatin’ny fanalavam-potoana 15 mn indroa miditra.

Famaranana fanintelony, atrehin’ny ivoarianina ity ary hitady ny anaram-boninahitra fanindroany izy ireo. Ny taona 2012, resin’i Zambia, teo amin’ny famaranana ny ivoarianina. Hervé Renard, mpanazatra ny Elefanta, ankehitriny no nitondra ny Zambianina, tamin’izany. Asa indray na hifanambina ny Elefanta sy Hervé Renard, amin’ity.

 

Hanala vela ry Ayew

Raha ho an-dry zareo ganeanina indray, famaranana fanintsiviny izao ataony izao. Efa inefatra izy ireo no nisalotra ny maha tompondakan’i Afrika ary hikatsaka ny fanindiminy, amin’ny alahady ho avy izao. Hanala vela, amin’ny Elefanta amin’ity ny ekipan’i André Ayew. Ho sarotra ny tombantombana satria samy mpilalao manana ny traikefany avokoa no hifandona. Ny mpanazatra roa tonta rahateo, samy be traikefa na dia samy manana ny taktikany aza dia ilay frantsay Hervé Renard sy ilay Israelianina, Avram Grant.

Anio, manomboka amin’ny 7 ora alina eto Madagasikara kosa no hatao ny lalao fiadian-toerana fahatelo, hikatrohan’ny Nzalang Nacional-n’i Ginea Ekoatorialy sy ny Léopards avy any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Kongo. Fihaonana tanterahina ao amin’ny kianja Malabo.

Tsiahivina fa nisehoana korontana niafara tamin’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomasa ny fihaonan’i Ghana sy Ginea Ekoatorialy. Resy tamin’ny isa 3 noho 0 ny Gineanina ka tsy faly tamin’iznay ireo mpanotrona azy. Rakitra y tora-bato sy ny fifanjevoata teny ambony kianja. Vita hatramin’ny farany ihany anefa ny lalaon’ny roa tonta na dia nisy fiatoana 20 mn teo aza.

 Tompondaka

Cet article Kitra – «Can 2015» : 30 taona aty aorian hifandona i Côte d’Ivoire sy Ghana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles