
Hikoizan’ireo mpanara-maso ny asa mihitsy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpampiasa sinoa vaoao tonga eto amintsika. Mampijaly mpiasa ary tsy manaja ny lalàna velona eto amintsika izy ireo.
Nilaza ireo mpanara-maso ny asa fa anisan’ny tena mampijaly ny mpiasany ny teratany sinoa. Anisan’ny teratany vahiny tsy manaja ny zon’ny mpiasa sy ny lalàna mifehy ny asa izy ireo eto amintsika.
Nanaporofo izany indrindra ny zava-nitranga ny alatsinainy teo tetsy amin’ny orinasa mpanao kapa tetsy Miadampahonina Ivato. Tsy mbola lefy an-tsain’ny mpanara-baovao ihany koa ary mbola misy lonilony hatramin’izao ny zava-nitranga tamin’ny mpiasa malagasy tany amin’ny orinasa Sucoma.
Tsy mitovy ny kolontsaina ary tsy mifankahazo ny resaka eo amin’ny Dinoa mpampiasa sy ny Malagasy ampiasaina. Tsy eken’ny Dinoa ny fialan-tsasatra satria firenena mahantra i Madagasikara ka tokony hiasa sy hamokatra andro aman’alina.
Anisan’ny teratany tsy manaja ny zon’ny mpiasa ihany koa ny Sinoa. Ankoatra izany, tsy manara-dalàna na eo amin’ny antanatohatra tokony hatao eo amin’ny fananganana orinasa eto an-toerana aza.
Ho an’ilay orinasa tetsy Miadampahonina, manohy ny asany hatrany ireo Sinoa saingy nomena fe-potoana roa volana izy ireo hampanarahan-dalàna ny orinasa sy ny mpiasa ao aminy. « Raha tsy voahaja izay dia hakatona ny orinasa ary horoahina tsy hiasa eto intsony ireo Sinoa ireo », hoy ny lehiben’ny sampandraharaham-paritry ny asa, Randrianirainy Heriniaina Arsène.
Efa mpamerin-keloka ireo Sinoa ireo raha ny fanazavana hatrany. Famindram-po farany no omena azy ireo ary noho ny fangatahan’ny mpiasa ao aminy izay manodidina ny 300 mahery no hanomezana azy ireo izany.
Anjaran’ny zandary kosa ny mampihatra ny sazy mifanaraka amin’ny fanadihadiana nataony teo amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Manomboka izao, tokony hanana fiantohana ara-tsosialy avokoa ireo mpiasa ao amin’ity orinasa ity. Hajaina ny karama farany ambany ary tokony hanana taratasy misy ny mari-karama avokoa ny mpiasa isam-bolana.
Ampahany ireo fa andrasana ny fandraisana andraikitra avy amin’ny Sinoa ao anatin’ny roa volana nomena azy.
Tatiana A
Cet article Mpanara-maso ny asa : mampijaly mpiasa ny teratany sinoa est apparu en premier sur NewsMada.