Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Zavakanto malagasy : sinibe nanovozan-javatra maro ny tarika Ny Railovy

$
0
0
NY RAILOVY

Amin’ny taon’itsy (2016), feno 60 taona ny Ny Railovy. Nametraka ireo vitany ho an’ny taranaka aty aoriana. Nitsimohan-javatra maro ho an’ny zavakanto malagasy. Nipoirana fiovana samihafa teo anivon’ny tontolon’ny hira malagasy, sns… Tarika manana ny mampiavaka azy.

  Tao amin’ny tropy teatraly Lisin’Iarivo no nahitan’ilay Israelianina, Sibrower, (nanana trano mpamokatra teto Madagasikara) ny fahaiza-mihiran’ireo mpilalao teny an-tsehatra ka nahatonga azy handray feo. Teraka vokatr’izay ny tarika Zery-Biry-Mily-Masy, talohan’ny taona 1956. Tao anatin’ny fitaizana tily, nisalotra ny anarana Ny Railovy i Jérôme Randriamahatana. Nanapa-kevitra ny rehetra fa ampitondraina io anarana io ny tarika Zery-Biry-Mila-Masy ny taona 1956. Niaraha-nandinika sy namolavola avokoa ireo hira havoakan’ny tarika ho an’ny mpihaino sy ny mpijery.

 Fantatra tamin’ny seho ankalamanjana

 Tarika nirotsaka voalohany tamin’ny fitarihana ny olona hijery fampisehoana ankalamanjana tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny alalan’ny “Bemiray” sy ny “Podium” no tena nahalalana ny Ny Railovy. Nilalao ankalamanjana ny operety “Romy”. Nanatanteraka ny “Bitsika sy Anjomara” (seho ankalamanjana ihany koa) niaraka tamin’i Georges Andriamanantena (Rado) sy Célestin Andriamanantena. Ny Ny Railovy no anisan’ny nandravaka ny sehatra ankalamanjana voalohany hifanaraka amin’ny lohahevitry ny fampisehoana.

Mampiavaka ny Ny Railovy koa ny fanehoana amin’ny endrika samihafa ny hira henoina sy ny rindran-tsary jeren’ny maso ary ny fampisehoana eny an-tsehatra. Misongadina amin’izany ny fomba fitafy. Noraisina ho toy ny filamatra sady niainana ny “tsy manenjika varotra fa manao izay ahafa-po ny olona. Manaja fatratra ny mpijery”.

 Ny Railovy, sehatra ifampitaizana

 Ankoatra ireo fototra niorenan’ny tarika tany am-boalohany (Randriamahatana Bruno (Biry), Randriamahatana Jérôme (Jerôme Randria), Randriamahatana Julien (Pata)), nisy mpanakanto niditra sy nitondra ny talentany tao amin’ny tarika. Nanjary sehatra ifampizarana sy ifampitaizana ny Ny Railovy. Anisan’izany i Bessa, Vola sy Noro, Fanja Andriamanantena, Bodo Rajaonarivo, Voahangy Rajaofetra, sns. Tao ihany koa ireo nanovo traikefa sy niara-nisa akaiky tamin’ny tarika Ny Railovy. Anisan’ireny ny Ny Voanio, Rakotozanany Stanislas, Henri Liban… “Tia manome rahateo ny tarika Ny Railovy”, hoy i Rida.

 Mpanjakan’ny vorona…

 Noho ny fahaizany manao feom-biby maro, ny railovy no ambara fa mpanjakan’ny vorona. Eto Madagasikara ihany no misy ny “dicrurus forficatus” (anarany ara-tsiansa). Ara-tantara, manana ny hasiny manokana izy io satria nanavotra ain-jaza saika novonoina jiolahy. Nanao feon-jazakely ilay vorona ka ny fiavian’ilay feo no notadiavin’ireo mpamono izay nanalavitra tsikelikely ilay zaza. Izay hasina sy toetran’ny vorona railovy izay no anisan’ny nisafidianana ny anaran’ny tarika. “Raha eo amin’ny tontolon’ny zavakanto, ny Ny Railovy izany no mpanjakan’ny hira”, hoy hatrany i Rida.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

(Loharano nanovozana: Andriamahatana Ridasoa)

Cet article Zavakanto malagasy : sinibe nanovozan-javatra maro ny tarika Ny Railovy est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles