« Rock acoustique », etsy amin’ny Trass Tsiadana. Miezaka hatrany mitady tolotra tsy fahita firy, homena ireo mpialavoly isaky ny faran’ny herinandro ny Trass eny Tsiadana. Fantatra fa i Nini Kiaka sy Iary indray no hampiaraka ny talentany anio, manomboka amin’ny 9 ora alina. Araka ny anarany, tsy miala ny fototra rock, saingy hirona kokoa amin’ny « acoustique » izany. Samy hanao ny hirany, hampiara-peo ary azo antoka fa hamerina hirana tarika malaza hafa ireto kalaza amin’ny rock ireto.
Randrantelo, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Feno 5 taona ny tarika Randrantelo. 5 taona namelomana ireo hira arahin-gitara, indrindra ireo gasigasy taloha sy ankehitriny. Holalovan’ny tarika mandritra ny seho hataony etsy amin’ny Piment Cafe Behoririka izany, anio alina. Mazava ho azy fa nivoatra sy nivelatra ny hira haverin’ny tarika, tao anatin’izay taona maro nolalovany izany. Mety misy ihany koa ny zava-baovao tsy hampoizin’ny mpankafy…
Cet article Taratry ny kanto est apparu en premier sur NewsMada.