Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Volley : hanampy ireo ligy ny federasiona

$
0
0

 Taorian’ny fitsidihana nataon’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny volley (FMVB) vaovao, Andriamandimbisoa Jocelyn, ny ligin’i Boeny, nivoitra tamin’ny resaka nataony tamin’izany fa hanampy ireo ligim-paritra misy eo amin’ny taranja volley ny federasiona.

Tsy vitan’ny famatsiana ara-pitaovana ihany io, araka ny vaovao, fa hiitatra hatrany amin’ny fananganana fotodrafitrasa, sns.

Araka izany, anisan’ny laharam-pahamehan’ny FMVB vaovao ny hamerina indray ny lentan’ny volley-ball malagasy izay efa nitotongana mihitsy, teo aloha teo. Manaraka izany ny fanomezana fiofanana isan-tsokajiny. Ary ny tena goavana, ny fiatrehana ireo hetsika iraisam-pirenena, toy ny Lalaon’ny Nosy atsy La Réunion sy ny fiadiana ny “CCCOI”, hotanterahina eto amintsika, ny volana novambra izao.

 Tompondaka

Cet article Volley : hanampy ireo ligy ny federasiona est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles