Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

BTF : « Afaka mampindram-bola ny fanjakana ny olon-tsotra »

$
0
0
btf

Tsy voatery manatona ny banky foibe intsony ny olon-tsotra na ny orinasa raha te hampindram-bola ny fanjakana, amin’ny alalan’ilay antsoina hoe Bon du trésor Fihary (BTF). Mahazo tombony kokoa ny olon-tsotra satria manatona mivantana any amin’ny Tahirim-bolam-panjakana.

Nahena ! Nanapa-kevitra ny fitantanana ny Tahirim-bolam-panjakana fa nampidinina ho 1 tapitrisa Ar ny fetra farany ambany ahafahana mampindram-bola ny fanjakana, amin’ny alalan’ny Bon du trésor Fihary (BTF), raha toa ka 20 tapitrisa Ar ny amin’ny Bon du trésor par adjudication (BTA). Nambaran’ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana, Robimanana Orlando, fa mahazo tombony ny mpampindram-bola amin’ny BTF, satria azo aloa mivantana lelavola ny 1 tapitrisa Ar hatramin’ny 10 tapitrisa Ar. Misy koa ny mangarahara amin’ny fifampiraharahana ara-bola, satria izay tahan’ny zanabola ampiharin’ny Tahirim-bolam-panjakana no raisin’ny mpampindrana.

9,10 hatramin’ny 10,70 % ny zanabola

9,10% ny zanabola ho an’ny fe-potoana herintaona, misondrotra 9,80% ho an’ny afaka roa taona, ary 10,70% ho an’ny telo taona. Noraisina ity fepetra ity hampitomboana ny fidiram-bola anatin’ny fanjakana. Vinavinaina hatrany amin’ny 240 miliara Ar no ho azon’ny fanjakana amin’ny alalan’ny BTF.

Hitety faritra, hampahafantatra bebe kokoa momba ny BTF ny Tahirim-bolam-panjakana. Azon’ny mpampindram-bola hatonina mivantana ny foibem-paritry ny Tahirim-bolam-panjakana na koa any amin’ny Paierie générale sy ny Recette générale eto Antananarivo.

Njaka Andriantefiarinesy

Cet article BTF : « Afaka mampindram-bola ny fanjakana ny olon-tsotra » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles