
Ny 8 ka hatramin’ny 28 desambra lasa teo no nisokafan’ny tombola Total Effimax. Ireo mpanjifa nividy solika, mihoatra ny 30 000 Ar no afaka mandray anjara tamin’ity fisarihana ity. Avy mividy izy ireo dia mahazo tapakila fandraisana anjara ary iny no fenoina ka narotsaka tao anaty vata efa niandry teo amin’ny tobin-dasantsy. Natao ny 15 janoary teo ny fisarihana ka olona 10 o nahazo izany. Andrianjato Richard no nibata ny môtô, loka voalohany. Araka ny fanazavany, sambany ny tenany mba nandray anjara. Teny Tanjombato izy no nandrotsaka solika satria mipetraka eny ary izao nahazo izao. Ankoatra izay, nozaraina omaly koa ireo loka hafa toy ny vata fampangatsiahana, fahitalavitra ary ireo maro samihafa.
Njato Hervé
Cet article Tombola Total effimax : nozaraina omaly ireo loka est apparu en premier sur NewsMada.