Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Andramena-Mananara Avaratra : olona telo voasambotra, norahonana ny mpanao gazety

$
0
0

Maro ireo fikambanana sy ONG mifarimbona manara-maso amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, toy ny andramena, ohatra. Any amin’ny tapany avaratr’ i Toamasina, mahatsiaro ho voahelingelina ireo mpanondrana an-tsokosoko andramena ao Mananara  Avaratra ankehitriny, indrindra manodidina an’ilay sambo hita tany Sainte Marie ary tafatsoaka. Vokany, nosamborin’ny zandary ny olona telo, manao izay fanaraha-maso izay ary nampita vaovao amin’ny tompon’ andraikitra any Antananarivo amin’ny fahitany ity trafika ity. Araka ny vaovao voaangona any an-toerana, nahazo fandrahonana ny mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jerim-panjakana fa hosamborina koa raha mbola manohy an’ izany.

Teo am-pakana sary

 » Misy sambo lehibe sinoa efa miantsona ao ambonin’ ny Sainte-Marie, amin’ izao ora izao ary ny sambo gasy iray antsoina hoe  » Esperance« , efa namafa ny anarany sy ny laharany amin’ny vatan’ny sambo no nitondra andramena. « Teo am-pakana sary sy nanangom-baovao momba izany izahay no nosamborina ny namanay ary norahonana ihany koa ilay mpanao gazety ao amin’ny RNM eto Mananara Avaratra. Omaly alakamisy 5 febroary no nisehoan’ izany rehetra izany« , hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nambaran’ ity loharanom-baovao ity fa zandary kolonely no nanao izany.

Sajo

Cet article Andramena-Mananara Avaratra : olona telo voasambotra, norahonana ny mpanao gazety est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Trending Articles