Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Antoko politika : roa monja no nahavita fanambaram-pisiana

$
0
0
Antoko

« Antoko politika roa ihany aloha no mbola nahavita fanambaram-pisiana ho an’ity taona 2015 ity, nefa hiatrika fifidianana isika. Koa raha antoko politika tsy ara-dalàna, tsy afa-kanolotra kandidà amin’ny fifidianana. »

Io no fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonarivo Thierry, teny Anosy, afakomaly, ny amin’ny isan’ny antoko politika manara-dalàna amin’izao fotoana izao.

« Misy antoko 47 no tsy nahavita ny fanambaram-pisiana, taona 2014. Raha ny voalazan’ny lalàna, tokony hofoanana ao anatin’ny rejisitra nasionalin’ny antoko politika ireo tsy nahavita ny adidiny », hoy izy.

 Foana ho azy izay antoko tsy ara-dalàna

 Raha tsiahivina, 178 sisa ny antoko politika ara-dalàna amin’izao fotoana izao, raha 208 izany roa taona lasa, janoary 2013, ary 343 talohan’izay. Amin’izay 178 izay aza, antoko 47 ihany izany no tsy nahavita ny fanambaram-pisiana tamin’ny taon-dasa.

Araka ny And. 23 amin’ny lalàna lah. 2011-12, tamin’ny 9 septambra 2011, tsy maintsy manao fanambaram-pisiany isan-taona hatramin’ny faran’ny volana avrily ny antoko. Lazaina amin’izany ny foibe toeran’ny antoko, ny anarana sy ny adiresin’ny mpikamban’ny birao mpanatanteraka.

Araka ny And. 30 amin’io lalàna mifehy antoko politika io, anisan’ny antony hanafoanana ny antoko politika iray ny tsy fanaovana fanambaram-pisiana: naman’ny tsy misy izay tsy manao ny fanambarana ny fisiany.

Mihena an-toerana hatrany ny isan’ny antoko politika

 Mihena hatrany ny isan’ny antoko politika.Noho ny fisian’ny lalàna? Na ny fivoaran’ny toe-draharaha politika… Izay tena hiatrika fifidianana, ohatra, no mihazakazaka hamita ny fanambaram-pisiana hatramin’ny faran’ny volana avrily. Very an-dalana avokoa ireo niorina hitady seza fotsiny toy ny tamin’ny Tetezamita, nahamaro indrindra ny fiforonan’ny antoko politika.

Noho ny toe-draharaha politika koa, maro ireo antoko politika mitambatra ho vondrona na vovonana tato ho ato. Misy ireo antoko lehibe teo aloha, tsy hita intsony. Endriky ny fivoaran’ny tontolo politika ve izany noho ny fisian’ny lalàna mifehy ny antoko? Na mbola tarazon’ny fomba fanaovana politika teo aloha ihany: miaraka rehefa haka fahefana; avy eo, miparitaka…

R.Nd.

Cet article Antoko politika : roa monja no nahavita fanambaram-pisiana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles