Nisongadina tamin’ny filankevitry minisitra natao teny Iavoloha, afakomaly, ny fanendrena tompon’andraikitra ambony eny anivon’ny primatiora.
Voatendry ho sekretera jeneralin’ny governemanta i Zafinandro Armand. Tale kabinetra sivily Rasamimanana Tianamalala Mamy ary tale kabinetra ara-miaramila kosa ny Jly Rakotoarimanana Jean Alfred.
Samy tsy ho avy hanotrona ny fahatsiarovana ny 7 febroary, rahampitso, ireo filoha dimy. Nilaza ho mandray masoivoho vahiny ny Pr Zafy raha any amin’ny faritra kosa ny amiraly Ratsiraka, araka ny nambaran’ny filohan’ny AV7, Rafaramandimby Bona Jean-Pierre tao amin’ny onjampeo Kolo FM 88.8, omaly.
Etsy andaniny, tsy nahazo alalana avy amin’ny fanjakana Ravalomanana. Efa any Frantsa miaraka amin’ny vady aman-janany Rajoelina. Tombanana koa fa mety tsy hipoitra ny filoha Rajaonarimampianina.
Tafatsangana ao Mahajanga tamin’ity herinandro ity ny Fikambanan’i Mahajanga miaro ny ara-dalàna (FMMA), tarihin’ny minisitry ny Fampianarana ambony tamin’ny andron’ny Tetezamita, Razafindehibe Etienne. Nambaran’izy ireo fa tsy manao politika ny fikambanana ary tsy miankina amin’ny fanjakana. “Fanabeazana ny tanora ho olom-banona no tanjon’ny fikambanana”, hoy izy ireo.
Cet article Fantina sy fintina est apparu en premier sur NewsMada.