Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Fifandraisana amin’ny any ivelany : manohana sy manampy antsika amin’ny sehatra maro i Espaina

$
0
0
Espaina

 Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, tao amin’ny birao fiasany, omaly ny ambasadaoron’i Espaina, Juan Ignacio Sell Sanz. Nivoitra tamin’izany ny fanohanana sy fanampian’ity firenena ity antsika. “Anisan’ny nanohana antsika ka nahavoafidy ny tale jeneralin’ny Tahir-mbolam-panjakana, Robimanana Orlando, ho anisan’ny komity eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava (CPI) ny firenena espanola. Sarotra ny lalana ahatongavana amin’izany nefa teo ry zareo nanohana antsika”, hoy ny minisitra Atallah Béatrice.

     Hanohana antsika amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia (OIF) koa ny fitondrana espainola.

   Nambaran’ny ambasadaoro Juan Ignacio Sell Sanz kosa fa anisan’ny hiarahany miasa amintsika ny lafiny fizahantany sy ny angovo ary koa ny eo amin’ny fitaterana.

Tsy vitan’izany. “Hanohana an’i Madagasikara amin’ny dinika politika rahampitso (anio) izahay amin’ny maha mpikambana anay eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE) ”, hoy izy.

 Hanampy antsika i Espaina amin’ny dinika politika anio

 Anisan’ny hiompanan’ity dinika politika anio eny Iavoloha ity ny fiaraha-miasan’ny UE sy Madagasikara eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena na koa ara-barotra.

     Ankoatra izany, nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny ny handraisantsika ny fivorian’ny Sadc amin’ny volana marsa izao sy ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia (OIF). “Hisy tombony eo amin’ireo hotely sy ny famoronana asa mivantana sy ankolaka izany…”, hoy izy.

     Etsy andaniny, naneho fahavononana ny hanampy antsika koa ny fitondrana tiorka tamin’ny alalan’ny ambasadaorony noraisin’ny minisitra ihany. Nanokana vola 1 hetsy dolara hiadiana amin’ny valala izy ireo.

 Nanao antso avo

 Nanao antso avo manoloana ny fakan’olon-tsy fantatra an-keriny ilay masoivoho koeranina tatsimo, Goulam Razaali, ny minisitra mba hamotsotra azy io . “Tsy mahatsara ny firenena izany ka mangataka ireo mitana an-keriny azy izahay hamoaka azy. Manome asa ny mpiray tanindrazana amintsika izy ka avotsory…”, hoy izy.

   Nambarany fa efa mandray ny andraikiny ny fitondrana malagasy sy ny any Koera.

Synèse R.

Cet article Fifandraisana amin’ny any ivelany : manohana sy manampy antsika amin’ny sehatra maro i Espaina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles