![]()
Nanaovana atrikasa, ny herinandro lasa teo, tany Mananjary ny fanarenana ny lakandranon’i Pangalana. Fehin-kevitra noraisin’ireo mpizaika ny fanokafana indray ny toerana fanamboaran-tsambo ao Mananjary. Mandeha izao ny asa fanadiovana na fanajariana ny lakandranon’i Pangalana miainga avy any Toamasina hatrany Mananjary, 428 Km. Raha miteny momba ny lakandrano, voaresaka nandritra io atrikasa io ny toerana fanamboaran-tsambo […]