Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

Rock Heavy Gasy : 15 taona ny tarika Rheg

$
0
0

Ny alahady 26 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ao amin’ny Dôme RTA Ankorondrano. Hanamarika ny faha-15 taona niorenany ny tarika Rheg (Rock Heavy Gasy). “Seho hanomezana sary tsara ny tontolon’ny rock eto Madagasikara”, hoy i Réga. Hanokatra ny sehatra ireo tarika tanora nasaina haneho ny talentany, toy ny Djnat, Stirm, Allias. Amin’ny 4 ora tsy diso, hiaka-tsehatra mandritry ny adiny 3 tsy miato ny tarika Rheg. “Hiran’ny tarika Rheg ranoiray mahatratra 30 no hatolotray amin’io fotoana io. Ao ny “heavy metal”, “blues”, “rock & roll” ”, hoy i Réga. Na izany aza, hisy ny gadona vaovao, toy ny “trad metal”, fifangaroan’ny metal sy ny ban-kira malagasy. Anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana ity ny jiro sy ny ravaka izay haneho tanteraka ny maha rock ny rock. Ankoatra ny seho eny an-tsehatra, hisy tranoheva ahitana ny momba ny tarika Rheg sy ireo vokatra navoakany. Anisan’ireny ny DVD manamarika ny faha-15 taona.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

Trending Articles