Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70681

Hoy izy ireo:

$
0
0
Sary (2)

Claude Barabé (mpanazatra Barea) : Tsara ny fanomanana, nahay nandray ireo taktika koa ny mpilalao ka tonga ho azy ny fahombiazana. Nanampy betsaka anay ny fisian’ilay Cosafa, nialoha ny Can. Nanaja ny fitsipi-pifehezana koa ny mpilalao rehetra.

Tiana (Tsiliva, kapitenin’ny ekipa) : Faly fa tompondaka, ary misaotra an’Andriamanitra fa tafita amin’ny “Mondial”. Nameno ny zavatra efa nataonay koa ny taktika nentin’i Barabé. Hifantoka amin’ny fiatrehana ny “Mondial” indray izao.

Toky (mpilalao mendrika) : Sambany ary voalohany no niatrehako ny Can. Tena ambony be ilay “niveau”-n’ny fifaninanana. Faly satria nahazo ny amboaran’ny mpilalao mendrika. Mbola vonona hanao tsara amin’ny “Mondial 2015”.

 Nangonin’i Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70681

Trending Articles