Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Finday hiaka farany : efa amidy ny Galaxy S6 sy ny Galaxy Edge

$
0
0
SAMSUNG

Tsy tara amin’ny hiaka farany isika ! Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Orange Madagascar etsy Ankorondrano, fa efa amidy eto amintsika ny finday raitra Galaxy S6 sy ny Galaxy S6 Edge. Araka ny fanazavana avy amin’ny Samsung, anisan’ny « Smartphones » tsara indrindra misy eo amin’ny tsena amin’izao fotoana izao ireo. Ahitana ireo teknolojia novokarin’ny Samsung rehetra izany, toy ny fakan-tsary raitra, fahafahana manao asa maro indray miaraka, sns. Izy ireto koa ny finday voalohany afaka mamahana ny bateria tsy mila atsatoka amin’ny fakana herinaratra. Rehefa mipetraka amin’ny « socle » miaraka aminy fotsiny dia afaka mifahana izy. Vetivety kely koa dia mahazo fahana (10 minitra monja).
Vao ny 10 avrily teo no nivoaka tany Eorôpa ireto finday ireto. Voalohany nanolotra izany ny mpanjifany ny Orange.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Trending Articles