Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

Volley – Coupe de la Fédération : tafita ny Stef’Auto, VBCD, AMVB ary Asi

$
0
0
Volley

 Vao mainka mihamafy ny fihaonana. Miditra amin’ny lalao manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny “Coupe de la Fédération”. Tafita hiatrika izany eo amin’ny vehivavy ny Stref’Auto, VBCD, AMVB, Bi’As .

 Voahaja aloha, hatreto, ny lôjika. Saika tafita amin’ny manasa-dalana avokoa ireo ekipa goavana sy sangany mandray anjara amin’ny fiadiana ny « Coupe de la Fédération » eo amin’ny taranja volley. Fifaninanana karakarain’ny federasiona malagasy (FMVB) tarihin’ny filohany, Andriamandimbisoa Jocelyn, etsy amin’ny kianja mitafo sy lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, amin’izao fotoana izao.

Eo amin’ny sokajy vehivavy, ekipa tsy mbola resy mihitsy ny Stef’Auto (Atsinanana) sy ny VBCD (Analamanga). Mazava ho azy, tafita hiatrika ny manasa-dalana ireto ekipa mitana ny laharana voalohany sy faharoa eto Madagasikara ireto. Ankoatra azy ireo, afaka teo amin’ny ampahefa-dalana ihany koa ny AMVB (Analamanga) sy ny Bi’As (Analamanga).

Ankoatra izay, miverina eo amin’ny lalao manasa-dalana amin’ity « Coupe de la Fédération » ity ny lalao famaranana teo amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly 2014. Hikatroka eo amin’ny manasa-dalana mantsy ny Stef’Auto sy ny VBCD. Hanala vela eto ny Volley-ball club diamante, izay resin’ny Stef’Auto tamin’ny famaranan’ny fifaninanana nasionaly 2014. Eo amin’ny manasa-dalana ilany kosa indray ny fihaoan’ny AMVB sy ny Bi’As. Samy baolina miady avokoa ireo manasa-dalana ireo.

Eo amin’ny sokajy lehilahy indray, tafita hiatrika ny manasa-dalana ny AS Tiavo (Matsiatra Ambony) sy ny Cosfa (Analamanga). Mbola ady goavana ihany koa, araka izany, ny fihaonana eo amin’ny lehilahy. Saika ekipa efa mifankahalala fomba filalao mantsy izy ireo nefa koa samy tsy hisy hanaiky lembenana.

Marihina fa fifaninanana hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly lahy sy vavy hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy 2015” (JIOI) atsy La Réunion, ny volana aogositra izao, ny “Coupe de la Fédération”.

 Miary Narindra


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

Trending Articles