
Nahazo fandresena fanindroany ny Cnaps Sport, omaly, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2015), taranja baolina kitra.
Fandresena tamin’ny isa mavesatra, 4 noho 0, nanoloana ny FC M’Tsapéré. Tsy nanova ireo mpilalao efa nijoro tamin’ny fihaonana tamin’ny Coin Nord ny mpanazatran’ny Cnaps Sport, tamin’ity fihaonana ity.
I Lanto fotsiny no naka ny toeran’i Gena, izay tsy niakatra kianja, tamin’ity. Nanokatra ny isa ho an’ny Malagasy i Nono, raha vao 11 mn nilalaovana. Tsy nijanona teo fa mbola nanampy ny isa indray i Niasexe dia ny teo amin’ny minitra faha-20 sy ny teo amin’ny minitra faha-43. Nentin’ny roa tonta niala sasatra, io isa 3 noho 0 io.
Nanolo mpilalao indray i Typeh, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa ka nesorina i Niasexe ary naka ny toerany i Kwassa. Nahitana fahombiazana izany satria nahatafiditra ny baolina fahefatra izy, ho an’ny Cnaps, teo amin’ny minitra faha-70 nilalaovana. Izay tafavoaka ao amin’ny vondrona misy an’i La Réunion sy Maorisy ary Seychelles no hidona amin’ny Cnaps Sport, eo amin’ny famaranana.