Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

«Ligue des champions d’Europe» : resin’ny Barcelone tao an-kianjany ny PSG

$
0
0
ligue1704

 Resin’ny FC Barcelone, tamin’ny isa mazava, 3 noho 1 ny Paris St Germain, ny alarobia lasa teo, teo amin’ny lalao ampahefa-dalana mandroso, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2015», taranja baolina kitra. Lavo tao amin’ny kianja filalaovany ao Parc des Princes ny Parizianina.

Tsy niady mihitsy ny lalao satria efa nitarika tamin’ny isa 3 noho 0 ny Barceloney, vao nitoko ny Frantsay. Nanokatra ny isa i Neymar, teo amin’ny minitra faha-18. Na samy nanao fanafihana aza anefa ny roa tonta avy eo, tsy nisy ny baolina tafiditra. Io isa tokana, 1 noho 0 io, no nentina niala sasatra.

Niezaka nanohitra ihany ny Parizianina, saingy tsy nahita hirika namonoana baolina mihitsy. Nahatafiditra baolina roa misesy indray avy eo i Luis Suarez, teo amin’ny minitra faha-67 sy ny teo amin’ny minitra faha-79. Efa tany amin’ny minitra faha-89 vao nahavaky atody ny Frantsay, tamin’ny alalan’i Mathieu. Sarotra ny fandidiana ho an’ny Frantsay, izay hiatrika ny lalao miverina afaka herinandro any Espaina.

Teo amin’ny lalao ilany indray, resin’ny FC Porto, tamin’io isa 3 noho 1 io ihany koa ny Bayern de Munich.

 Miary N


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

Trending Articles