Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Fahasalamana : hofongorina tanteraka ny aretina polio

$
0
0

 Hotanterahina ny 21 avrily ka hatramin’ny 1 mey izao ny hetsika fanamafisana ny Andron’ny vaksiny polio (FavPolio) andiany faharoa eto Madagasikara. Hisy ny fitetezan-trano ka hanomezana vaksiny ho an’ireo zaza rehetra latsaky ny 5 taona.

Tanjona ny hamongorana tanteraka ity aretina ity eto amintsika. Anisan’ny nanaitra ny nahitana trangan’aretina toy ny polio tany Analalava sy Nosy Varika tamin’ny taon-dasa. Izany indrindra no anton’ity hetsika FavPolio andiany faharoa ity.

Nilaza ny talem-paritry ny fahasalamana eto Analamanga, dokotera Sammy fa tsy misy ny antontan’isa mazava mikasika ny aretina polio eto Madagasikara. Tsy misy ihany koa ny trangan’aretina eto Analamanga.

Raha ny salanisa, nahatratra 67% ny taham-panaovana vaksiny polio tamin’ny FavPolio andiany voalohany. Kendrena hahatratra ny 90% io salanisa io amin’ity andiany faharoa ity, raha ny filazan’ny mpikarakara.

 Ho tratra ny tanjona amin’ny famongorana ny aretina polio eto amin’ny faritra Analamanga, hoy kosa ny dokotera Razafimahefa Raobelina.

Tsiahivina fa mbola hisy ny fanentanana manokana momba ny tokony hanaovan’ny zaza latsaky ny 5 taona ity vaksiny hiadiana amin’ny polio ity mandritra ny Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza (Ssme) izay hotanterahina ny 11 ka hatramin’ny 15 mey. Manodidina ny 800.000 ireo zaza latsaky ny 5 taona kendrena amin’izany.

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Trending Articles