Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70736

Manomboka ny 100 andron’ny PMO sy PND : «Tsy misy ny fahagagana, mila faharetana isika», hoy ny PM Ravelonarivo

$
0
0
pmo

 Vita omaly, ny atrikasa namaritana ny Drafi-panatanterahana ny asa (PMO) voafaritry ny Fandaharanasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (PND). Nanamafy ny velirano koa ny praiminisitra fa hiady amin’ny trafika harena voajanahary samihafa.

Io fa fantatra ! Ny 10 avrily teo ny daty ofisialy nanombohan’ny asa ahitam-bokatra haingana ao anatin’ny 100 andro (RRI). Nampahafantarin’ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean izany nandritra ny fotoam-pamaranana ny famolavolana ny Drafi-panatanterahana ny asa (PMO) nofaritan’ny Fandaharanasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (PND), omaly tolakandro teny amin’ny CCI Ivato. Haroso eny anivon’ny mpamatsy vola ny fandaharanasa arakaraka ny seha-pihariana avy. « Tsy misy ny fahagagana, mila faharetana isika, satria asa tokony ho efa natao sy vita tao anatin’ny roa, telo na dimy taona izao hatao izao », hoy ihany izy. Nohamafisiny koa ny velirano na fanamby efa nataony tamin’ny fotoam-panokafana ny 9 avrily fa hiady amin’ny trafika andramena, vatosoa sy harena voajahanary, halatra taolam-paty sy taova, sns.

Tsy nambara ny sazy ho an’ireo tsy mahatratra ny tanjona

Anisan’ny paikadin’ny fanjakana koa ny hahitana vokatra ao anatin’ny 100 andro (RRI). Midika ve izany fa natao ho laharam-pahamehana iretsy veliranon’ny praiminisitra iretsy ka nampidirin’ny minisitera tandrify azy avy, toy ny ao amin’ny Tontolo iainana, ny Fitandroana ny filaminana, ny Fitsarana, ohatra ?

Na nanatitrantitra fa mila miasa, miasa, miasa ny rehetra aza ny praiminisitra, tsy nambarany ny fepetra na sazy horaisin’ny filoham-pirenena na ny tenany ho an’ireo minisitra na minisitera tsy nahatratra ny tanjona na tsy nahazo ny vokatra nandrasana aorian’ny 10 jolay ho avy izao, fe-potoan’ny 100 andro.

Nampahafantariny ny mpanatrika koa, omaly, fa taona iraisam-pirenena ho an’ny fanombanana ezaka ny taona 2015.

Lafin-javatra telo lehibe

Nambaran’ny mpandrindra teknika ny PMO, Jaonasy Joelson, fa miompana amin’ny lafin-javatra telo lehibe ny PMO. Ny singa fototra mamaritra ny sehatra tena lehibe, ny fomba fanatanterahana azy, mifanaraka amin’ny lalàna sy ny rafitra misy ary ny drafitrasa hanatanterahana azy ireo. Haroso farany eny amin’ny vaomiera stratejika, tarihin’ny praiminisitra ity drafitrasa ity, hijerena sao misy pitsopitsony mila amboarina.

Njaka Andriantefiarinesy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70736

Trending Articles