Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Any atsimo : zaza 15 000 tohanana ara-tsakafo

$
0
0
PAM

 Nanomboka ny fizarana fanampin-tsakafo mitondra otrikaina ny zaza enim-bolana ka hatramin’ny 24 volana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Miantefa amin’ny ankizy 15 000 ao amin’ny distrikan’i Betioky, Beloha ary Bekily ny tohana ara-tsakafo ahitana vovo-dronono, voanjo, menaka, siramamy ary ireo akora mineraly ilain’ny vatana, zarain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo (Pam). Anisan’ny niteraka voka-dratsy ny tsy fahampian’ny orana any atsimo ho an’ ny mponina amin’ireo distrika ireo satria potika avokoa ny voly ary niharatsy ny sakafo ho an’ny vehivavy sy ny ankizy manokana.

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny teknisianina tany an-toerana, mahatratra 200 000 ny olona voan’ny tsy fanjarian-tsakafo ka zaza avokoa ny 40 000 amin’ireo. Tsapa ho ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa amin’ny fotoana mitovy. Mampihena fahazoan’ny zaza aretina ny fihinanana ny fanampin-tsakafo izay mety hiteraka fahafatesana ho an’ny zaza madinika marefo ara-pahasalamana. Haharitra telo volana ny fizarana ity tohana ity, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fanjarian-tsakafo ao amin’ny Pam, Nora Hobbs.

Ankoatra ny zaza, homena sakafo notovonana akora mahavelona koa ny vehivavy mitondra vohoka sy ireo mampinono isam-bolana.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Trending Articles