Nitsidika ny foibe fandraisana an-tanana ireo ankizy manana olana ara-tsaina eny amin’ny Les Orchidées Blanches ny minisitry ny Mponina, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nahafahany nijery ny fiainan’ny ankizy amin’ny ankapobeny ny fidinana teny ifotony. Mandray an-tanana zaza 110 ny foibe eny Androhibe fa 800 kosa ny fitambaran’ny ankizy manana olana ara-tsaina beazina amin’ny ivontoerana 15 manerana ny Nosy, araka ny vaovao azo, omaly.
Manana toerana fanamboarana tsaoka ny foibe eny Androhibe, izay niforona ny taona 1972. Efa nahazo ny fenitra maha ONG azy ity ivontoerana ity ny taona 2007. Tanjona ny hanampy ireo zaza beazina ho mahaleotena amin’ny fiainana andavanandro nefa manaja tanteraka ny maha olona.