![]()
Hatairana ny an’ny rehetra mpankafy baolina kitra, omaly nahita ny vaovao nandeha tamin’ny tambajotran-tserasera fa nosazin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ilay mpilalao malagasy Andriamirado Arohasina (Dax). Tsy nifarana teo ny olana amin’ny fifindran-toeran’ny mpilalao malagasy, mankany ivelany. Raha noheverina fa efa milamina ny filalaovan’Andriamirado Arohasina (Dax), atsy Afrika Atsimo, niseho indray ny tsy fahatomombanana mikasika izany. […]