![]()
Andriambavilanitra 14 ny indray hisantatra ny sehatra amin’ny antsa tononkalo fanaon’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cercle Germano-malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina. « Saramba mikalo » tanterahina ny asabotsy 26 janoary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Halalaka ny lohahevitra amin’io antsa io », hoy i Gazela Meva, iray amin’ireo hiantsa tononkalo. « Ireo sehatra ahitana ny vehivavy, saika resahinay ao anatin’ny […]