![]()
Nihintsana, teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, i Rija Gardiner, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma. Fihaonana, tanterahina any Asaba, Nizeria. Nihazakazaka ny halavirana 400 m ny tovolahy, saingy laharana fahadimy tao anatin’ny sokajy nisy azy. Filaharana tsy ampy niakarany tamin’ny dingana manaraka, noho izany, tsy afaka niatrika akory ny manasa-dalana i Rija […]