
Ny 30 novambra 2014, nentina an-tsehatra ny “Avia hilalao”. Fampisehoana namelomana indray ireo hira nokaloin’i O’Suzah sy Barijaona. Hotohizana amin’ny alalan’ny “Takariva Barijaona” izany. Ny zoma 27 marsa izao, etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva. Fampisehoana hitondran’i Tojo Njatoarimanga sy ny ekipan’ny Sehatra Ba Gasy (SBG) ny voka-pikarohana nataony momba ireto mpanakanto nanana ny nampiavaka azy tamin’ny feo sy ny fitendrena gitara ireto.
Nomarihin’i Mbosa fa “tsy misy vidim-pidirana ny fampisehoana. Na izany aza, ho fandaminana, maka fanasana any amin’ny mpikambana SBG izay ho tonga eny an-toerana satria 200 monja ny isan’ny toerana ao amin’ny Tranompokonolona Analakely. Hivoaka koa ny boky “Angona Barijaona” ho hita mandritra ny “Takariva Barijaona”.
Ny iainan’ny Malagasy ny hakaton’ny kolontsainy sy ny ba gasy no anisan’ny kendren’ny SBG amin’ny seho tahaka izao.
HaRy Razafindrakoto