Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Compagnie Vidzar : handray anjara amin’ny « Vinexpo » any Bordeaux

$
0
0
fampirantiana

 Handray anjara amin’ny hetsika Vinexpo any Bordeaux ny Compagnie Vidzar, orinasa mpamokatra toaka eto amintsika ny 14-18 jona ho avy izao. Taona fahadimy ho an’ny orinasa ny fiatrehana ny fampirantiana iraisam-pirenena tanterahana isaky ny roa taona ao Bordeaux, ahitana ny mpanamboatra divay sy spiritueux anarivony avy amin’ny firenena maro, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny Compagnie, Andriamihaja Gérard, omaly teny Ivandry. Fotoana ampahafantarana ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Vinexpo sady ahafahana miserasera ho an’ny lalam-barotra vahiny.

Efa manondrana vokatra dzama any Eoropa, Amerika ary Kanada isika amin’izao fotoana izao ary mandray anjara amin’ny fifaninanana maro nahazoana medaly samihafa.

Miavaka ny fahatongavan’ny Malagasy ao ho an’ity taona ity, hitondra ny vokatra cuvée blanche sy cuvée noire haranty amin’ny endrika nohavaozin’ny tomponandraikitra.

Havoaka eny amin’ny tsena anatiny eto amintsika manomboka rahampitso koa ireo vokatra nohatsaraina ireo hiatrehana ny fetin’ny Paka.

 Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles