
Manana fitaovam-pitiliana ny aretina tiberkilaozy avo lenta GeneXpert isika, fitaovana mampiasa ny teknolojia vaovao afaka mitily ny bacille de Koch mitondra ny aretina tiberkilaozy ao anatin’ny ora roa monja sy mamantatra na andairan’ny fanafody Rifamicine ilay marary na tsia. Enim-bolana ny faharetan’ny fitsaboana ny aretina ary tsy tokony hotapahana mihitsy ialana amin’ny tsy fandairan’ny fanafody mahazatra omena maimaimpoana eny amin’ny tobim-pahasalamana, hoy ny teknisianina misahana ny ady amin’ny tiberkilaozy.
Miara-mientana isika hitily sy hanasitrana ny tiberkilaozy ny lohahevitra noraisina amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina natao tany Miarinarivo, omaly. Nandritra ny taona 2013, nahatratra 9 tapitrisa ny olona voan’ny tiberkilaozy eran-tany, 3 tapitrisa tamin’ireo tsy nahazo fanafody nitsaboana tena ka namoy ny ainy ny 1,5% vokatr’izany. Amin’izao fotoana izao, vina ny hampanantona ny fitsaboana an’ireo mila izany.
Vonjy