
Hanatanteraka ny fampanantenana nataony ny mpankafy ny kanto ny tarika Marolahy. Hivoaka rahampitso ny “Vitan’ny lalagna”, rakikira vaovaon’ny tarika. Hira sivy ny ao anatiny. Anisan’ireny ny “Nirina”, “Hikarama”, “Andry aombe”, “Laka”, “Ngetroky”, “Veloma ny egn’Nosy”, sns. Fantatra amin’ny gadon-kira “mandangidangy” ity tarika ity.
Hanatanteraka fiakarana an-tsehatra roa sosona ry Marolahy amin’ny faran’ny herinandro izao. Rahampitso, miaraka amin’ny tarika Lianah eny amin’ny Cemes Soanierana. Ny asabotsy 21 marsa, ao amin’ny lycée Moderne Ampefiloha hanafana ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona, karakarain’ny fikambanan’ny Betsileo avy any Manandriana (Fitema). Manomboka ny volana avrily, hanatanteraka fitetezam-paritra maro ny tarika. Any Ambatondrazaka sy Alaotra ny hanombohany azy. Seho haharitra telo volana eo ho eo. Ny volana septambra ka hatramin’ny volana novambra, any amin’ny faritra atsimo atsinanana.
Marihina fa ahitana mpandihy sy mpitendry zavamaneno ary mpanao feo lafika ny tarika Marolahy. Mitovitovy amin’ny batrelaka avy any atsimo atsinanana (tany niavian’i Marolahy rahateo) ny mandangidangy.
HaRy Razafindrakoto