
Hafana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi 2015), eo amin’ny taranja rugby à VII, sokajy zandriny. Hisantatra ny lalao ny kianja Père Pedro, Andralanitra.
Hanomboka anio, eny amin’ny kianjan’ny Père Pedro, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), eo amin’ny sokajy U16 sy U18, ho an’ny rugby lalaovin’olona fito. Araka izany, hizara roa miavaka tsara ny fihaonana. Ekipa enina hiady ny lohany, eo amin’ny U16 : La Réunion, ekipa voafantin’i Madagasikara, Ecole de Rugby, Ecole de la Vie (Erev), Les Enfants de l’Ovale (Edeo), Pachamama Soavimasoandro ary ny XV Sympatiques.
Enina ihany koa ny eo amin’ny U18 : i Mayotte, La Réunion, Maorisy ary Madagasikara izay manana ekipa telo. Lalao fisokajiana ny firenena tsirairay atao amin’ity andron’ny alakamisy ity. Nozaraina ho vondrona roa ireo firenena mandray anjara. Ho an’ny U16, hiaraka ao amin’ny sokajy «A» i La Réunion, Erev ary Pachamama. Ao amin’ny sokajy «B», misy an’i Madagasikara, Edo ary Sympatiques.
Iray sokajy ny samy Mada
Eo amin’ny U18 indray, hiaraka ao amin’ny vondrona «A», i La Réunion, Mada 2 ary Mada 3. Ao amin’ny vondrona «B», ny Mada 1, Mayotte ary Maorisy. Mifandimby mihaona ny ekipa isam-bondrona ka izay be fandresena, miatrika ny famaranana. 7 mn indroa miditra ny faharetan’ny lalao iray.
Hitohy ny asabotsy kosa ny fihaonana ka etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny hanatontosana ireo lalao rehetra. Hisy ny lalao fifanintsanana sy ny manasa-dalana ary ny famaranana.
Raha tsiahivina, nitana ny laharana voalohany ry zareo Reonioney, tamin’ny taon-dasa, teo amin’ity fihaonana ity. Izy ireo izany tompondaka farany. Faharoa ny Malagasy ary fahatelo i Maorisy. Marihina fa na ankizy aza mifaninana, efa manana ny halehibeazam-batana ny Renioney sy ny Maorisianina. Hanala vela izany, amin’ity, ny ekipam-pirenena malagasy. Hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina avokoa ny lalao etsy amin’ny kianja Père Pedro sy Mahamasina, izay samy tsy misy vidim-pidirana.
Tompondaka