
Nangotraka ny fifanintsanana teo amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety, ho an’ny Zone Centre. Hetsika notanterahina tany Toamasina, tao amin’ny kianja mitafo Soavita, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Niditra sahady tamin’ny lalao ampahefa-dalana ny fifaninanana, omaly.
Araka izany, ekipan’Analamanga roa no indray tafita sy tafavoaka hiatrika ny manasa-dalana. Tafita voalohany tamin’izany ny Lucadro izay nandresy ny BBCA avy any Alaotra Mangoro, tamin’ny isa tery dia tery, 104 noho 102. Niady ity ampahefa-dalana iray ity satria samy sahirana na ny Lucadro na ny BBCA. Saingy, tany amin’ny minitra farany, tafavoaka ho mpandresy ny ekipan’Analamanga. Tetsy ankilany, afaka teo amin’ny ampahefa-dalana ihany koa ny Fandrefiala (Fan) Analamanga rehefa nanilika ny AS Fan Alaotra Mangoro tamin’ny isa mavesatra, 109 noho 58. Ankoatra izay, tafita ihany koa ny ekipan’ny 3FB Atsinanana rehefa nandavo ny St Pierre Alaotra Mangoro tamin’ny isa mazava, 87 noho 73. Hatreto, tsy nisy ekipan’Alaotra Mangoro tafakatra.
Etsy andaniny, ho an’ny Zone Ouest, tanterahina any Antsirabe, ao amin’ny kianjan’ny faritra Vakinankaratra indray, tafita hikatroka ny ampahefa-dalana ireo ekipan’i Vakinankaratra telo (SBC, 2BC ary Serasera) sy Menabe roa (BBC, BCM) ary Bongolava iray (3FB) sy Itasy iray (ASB).
Miary Narindra