Anisan’ireo ekipa tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions», taranja baolina kitra ny AS Monaco. Na resin’ny Arsenal, tamin’ny isa 2 noho 0, teo amin’ny taniny aza, ny Monegaska, ny talata lasa teo, nandritra ny lalao miverina, azony ihany ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka. Ny fandresena tamin’ny isa 3 noho 1, nandritra ny lalao mandroso, tany Londres, tapa-bolana lasa, nahatafita ny AS Monaco. Raha hiverenana ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, Giroud, nahatafiditra ny baolina voalohany teo amin’ny minitra faha-36 ary Ramsey kosa, ny faharoa teo amin’ny faha-79 mn nilalaovana.
Tafakatra toa izany ihany koa ny Atletico de Madrid, rehefa nandresy ny Bayer 04 Leverkusen, tamin’ny alalan’ny fandakana ny «tirs au but», 3 noho 2. Nisaraka 1 noho 0 ny roa tonta, teo amin’ny 90 mn nilalaovana sy ny fanalavam-potoana ka ny Atletico no nandresy. Nitovy ny isa satria 1 noho 0 ihany koa ny nisarahana tamin’ny lalao mandroso ka nivoaka ho mpandresy teo ny Bayer 04. Samy manohy ny lalany izany ny AS Monaco sy PSG. Andrasana ny ho vokatry ny fisarihana, izay hatao ny zoma ho avy izao, eo amin’izay hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana.
Tompondaka