Araka ny fanisana nataon’ny “médiatrice culturelle”, Emeline Jersol, miasa ao amin’ny foibe nasionalin’ny zavakanto an-dalambe, Le Boulon, any Vieux-Condé. « Festivals », rafitra sy fikambanana misahana ny zavakanto mitontaly 143 no nofoanana any Frantsa, raha ny voalazan’ny gazety mpivoaka isan’andro, Le Parisien. Mikasika ny “festivals” manokana, nisy no nofoanana tanteraka, izany hoe, tsy hisy intsony. Ao kosa ny andiany amin’ity taona ity ihany no tsy hotanterahina.
Amin’ny ankapobeny, antony nahatonga izao fanapahan-kevitra izao ny tsy fisian’ny vola na fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana eny ifotony, toy ny kaominina, intsony. Raha ny nambaran’ny mpikaroka sady mpanoratra iray, Emmanuel Négrier, misy idiran’ny resaka politika ihany ity raharaha ity. “Taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna tamin’ny taon-dasa, nisy tamin’ireo voafidy no mampitondra faisana ireo nanohana ny mpifanandrina taminy”, hoy izy. Anisan’ny voakasik’izany ny mpikarakara “festivals” sy ireo rafitra misahana ny kolontsaina eny anivon’ny kaominina.
Fa ankoatra izany, nofoanana koa ireo “festivals” manomboka tsy mahazo mpitsidika. Voakasik’izany, ohatra, ny “festival Les voix de Gaou”, fanao tany Six-Flours-les-Plages efa 17 taona izay. Antony iray hafa nanafoanana ireny hetsika ireny koa ny fisondrotry ny karaman’ny mpanakanto.
Raha ny nambaran’ny talen’ny « festival de rock de Belfort, Les Eurockéennes », Jean-Paul Roland, tandindomin’izao fanapahan-kevitra izao koa ireo « festivals » heverina ho ngeza sy malaza eran-tany, noho ny fanafoanan’ny fanjakana eny ifotony ny fanampiana ara-bola.
Landy R.