
Tsy misy tandroka ny ratsy! Rangahy iray marary mipetra-drery eny Ampefiloha no nivadihan’ny mpitaiza azy ary nahazoany vola 60 tapitrisa Ar .
Tsy manambady aman-janaka io rangahy efa antitra io ka nitady olona nitaiza azy tamin’ny alalan’ny gazety, ny volana jona 2014. Nisy “agence” iray nanolotra azy tovolahy iray mba hikarakara an-drangahy. Noraisin’ity farany ho toy ny zanany ilay tovolahy ary natokisany. Nohararaotin’ilay olon-dratsy anefa izany, ka nampitahoriny tamin’ny alalan’ny finday rangahibe, mba hanome vola. Nentin’ny tahotra izy ka nanome ny vola fisotroan-dronony. Tsy vitan’izay fa nanankinan-drangahibe ny fivarotana ny tranony eny Ambondrona ilay tovolahy.
Nivadihan’ity farany indray izy ka namidiny ny trano, izay nahazoany vola 60 tapitrisa Ar. Niray tsikombakomba tamin’ny mpanera ilay tovolahy ary nizara vola. Nividy Sprinter ilay tovolahy tamin’ny vola azony ary nitsoaka tany Amparafaravola. Rehefa nametraka fitoriana ingahibe marary, nandeha ny famotoran’ny polisy. Tratra ilay tovolahy, ary tratra tany aminy ny kara-panondro hosoka. An’olona very izy io, ary nosoloiny ny sariny. Ny sary izany no hafa fa ny anarana, an’olona very kara-panondro. Efa voamarin’ny polisy ny momba ny tompon’ny karapanondro. Efa mpisoloky gagilahy ilay tovolahy nisoloky lahiantitra io, ary nokarohin’ny polisy avy any Amparafaravola koa. Natolotra ny fampanoavana omaly, izy sy ny mpiray tsikombakomba aminy.
Yves S.