Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Vohibola Isandra : dahalo efatra voasambotry ny polisy

$
0
0
Jiolahy19.3.15

 Saron’ny polisin’ny Fip ao Fianarantsoa, ny asabotsy teo tao Vohibola Isandra ireo dahalo efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny renim-pianakaviana iray sekretera mpitahiry ny volan’ny kaominina ambanivohitr’i Lavonomby, distrikan’Isandra. Efa nahazo loharanom-bavao mikasika ny fisian’ireto andian-dahalo ireto ny polisy mialoha izany ka nanao ny vela-pandrika rehetra. Vokany, nirefodrefotra ny basy noho ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy. Dahalo efatra indray voasambotra taorian’ny fifampitifirana. Naratra voatifitry ny dahalo ny zanak’ilay niharan’ny fanafihana.

Fa dahalo miisa 13 maty voatifitry ny zandary, ny herinandro teo, tao Betroka. Olona 77 voasambotra, saingy navotsotra taorian’ny fanadihadiana. Dahalo telo naiditra am-ponja vonjimaika. Basim-borona enina tratra. Mitohy ny fiaraha-miasan’ny Dinan’i Mangoky sy ny zandary ao Betroka.

Jean Claude sy Sajo


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles