Nandray anjara tamin’ny fivoriana tany New York momba ny fanapahan-kevitra tapaka tany Beijnig 20 taona lasa sy ny zavatra hotanterahina aorian’ny taona 2015 ny minisitry ny Mponina malagasy, Realy Onitiana, ny fiandohan’ny herinandro teo, ao anatin’ny fihaonana faha 59- an’ny vondrona misahana ny vehivavy manokana.
Tanjon’ny minisitera iadidiany ny fametrahana lalàna lasitra manery ny minisitera sy ny ambaratongam-pahefana rehetra hijery ny fitovian’ny lenta eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny asa rehetra ataony. Nozarainy tamin’ny mpivory io vina io.