
Mafampana indray ity resaka sata manokana ity izao. Tadidy tampoka amin’izao anoratana izao ny fampietrena ny sata manokan’Antananarivo Renivohitra, noho ny tombontsoa politika manokan’ny mpitondra tamin’ny fotoan’androny. Niteraka lonilony sy hatezerana tsy misy toy izany ho an’ny mponina izany ka niafara tamin’ny raharaha 2009.
Henjana koa isika ireto raha hanao andolom-po e! Tsy mamoha fota-mandry sanatria fa miverina indray io fombafomba ratsy tsy dia mitondra mankaiza io izao. Efa hatrany amin’ny taona 1960 niverenan’ny « Fahaleovan-tena » no nitadiavana paipaika ny hahazoan’ny antokom-pitondrana ity renivohitra ity. Fa tsy nisy nahavita izany e !
Fa fotaka inona tokoa moa izany no lazaina fa mandry teo ? Efa nodilirin’ny ranontrambo sy ny atsanga hidoboka hatrany anaty lakan-drano sy tanimbary rehetra tany izany « fota-mandry » izany. Izay nikitikitika nandamindamin-toerana tamin’izy io ihany no nanakobana ny rano hisotroany. Tsy ho fantatra intsony, raha izany, ny hiafaran’ity resaka sata manokan’Antananarivo Renivohitra ity fa efa faninefany voatsipaka izy izany izao. Nanao angoan-tenda tsy hanaiky izany paika politikan’ny mpitondra izany ireo depiote isaky ny boriborin-tany.
Iadiana mafy tokoa io resaka sata manokana io. Samy mba manana ny azy kosa fa misy tombontsoa tsy itoviana amin’ny rehetra io. Na io tombony ho an’ny mpandrafitra sy mpanome azy, na hiantefa amin’izay handray azy. Efa manana ny sata manokana miahy azy ny mpitsara, ohatra. Mitaky ny azy koa izao ny mpanara-maso ny asam-panjakana. Fiofanana mitovy izao ihany teny amin’ny ENAM koa nahoana no tsy hitovy mari-karama ?
Dia efa nikorontana nitaky ny sata manokany koa ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana. Toa efa manangasanga any ihany izy io, raha tsy miova hevitra amin’ny fotoana farany ilay Fitondrana. Sao hadino fa efa manana ny sata manokany koa ny mpandraharahan’ny fonja. Mbola ny ampahany ihany no mihatra izao. Iza sisa no tsy mba manana izany sata manokana izany ? Ny hiafaran’ity raharaha ity, hitaky sata manokana koa ny tra-boina. Iza irery no tsy mba hitaky izay mahasoasoa azy eto ? Eritreritra sendra nandalo azo eritreretina tsara.
Zoelson Randrianindrina