
12.200 litatra ! Izany no totalin’ny toaka gasy sarona nandritra ny vela-pandrika nataon’ny polisin’ny Fip tao Alakamisy Ambohimaha sy tany Farafangana, ny talata lasa teo. Saika hamatsiana an’ i Fianarantsoa sy Ikalamavony ary Ilakaka ireto toaka gasy sarona ireto.
Saron’ny polisin’ny Fip ao Fianarantsoa, ny alatsinainy teo, ny kamiaobe iray nitondra toaka gasy 10 bidao amin’ny 20 litatra. « Niainga avy any Farafangana ary hihazo an’i Fianarantsoa ilay kamiaobe. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy mikasika ny fisian’ireo mpanao trafika ka nametraka ny vela-pandrika avy hatrany. Tratra niaraka tamin’ny entana ny raim-pianakaviana tompony », hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny Fip ao Fianarantsoa, ny kaomisera Rafaliarivo Jules.
Tsy vitan’izay, mbola nahazo loharanom-baovao iray hafa ny polisy fa misy kamiaobe roa hafa mitondra toaka gasy miainga avy any Farafangana sy Vohipeno ary hihazo an’i Manakara sy Fianarantsoa. Nametraka vela-pandrika teo Alakamisin’Ambohimahasoa ny polisy taorian’izay. Sarona tokoa ireo kamiaobe roa feno toaka gasy izay mitsinjara 6 000 bidao miaty 20 litatra tsirairay avy. Vokany, mitotaly 12 200 litatra ireto zava-pisotro mahamamo izay voararan’ny lalàna ireto.
Tratra niaraka tamin’ilay kamiaobe ny olona efatra voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fikasana hanondrana an-tsokosoko ireto toaka gasy ireto.
Saika hamatsiana an’i Fianarantsoa…
Fantatra nandritra ny famotorana ireo olona voarohirohy fa saika hamatsiana an’i Fianarantsoa sy Ikalamavony ary Ilakaka, kanjo izao saron’ny polisy tampoka izao.
Taorian’ny famotorana nomelohin’ny fampanoavana handoa saran-tsazy 1 000 Ar isaky ny litatra eny amin’ny fitahirizam-bolam-panjakana izy ireo. Nodoran’ny polisy kosa ireo toaka gasy 12 200 litatra.
Mifamatotra ary tsy afa-misaraka amin’ny fomba amam-panao Malagasy ny fisian’ny toaka gasy. Seha-pihariana goavana ary tsy ho fongana na oviana na oviana, indrindra any amin’ny faritra Betsileo ny famokarana toaka gasy. Miara-manaiky izany ny rehetra. Sao tokony hojeren’ny fanjakana akaiky ny hahatonga ny famokarana azy ho manara-penitra sady fidiram-bola ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana, toy ny sigara.
Efa marobe ireo olona nigadra voarohirohy ho nanao trafikana toaka gasy sy nandoa lamandy volabe tamin’izany. Maninona raha fongorina hatrany ifotony mihitsy raha tena hanenjika ? Zavatra tsikaritra matetika anefa misy amin’ireo mpitandro filaminana sasany any amin’ny faritra aza mankafy ireny toaka gasy ireny.
Vidiana lafobe rahateo anefa ny toaka gasy amin’ny hotely iray lehibe eto an-drenivohitra rehefa ampiarahina amin’ny hanitra isan-karazany.
Tsy midika ho fampirisihana ny olona anefa izany (sanatria) fa antso atao amin’ny tompon’andraikitra voakasik’izany.
Jean Claude sy Sajo