Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Fananan-tany : mitohy ny fitokonana

$
0
0
fananantany

Tsy mbola miasa ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Hanao tatitra ny fihaonan’ireo sendikà telo amin’ny mpiasa rehetra izy ireo anio taorian’ny fihaonana tamin’ny tompon’andraikitra samihafa namolavola ny Politikan’ny fananan-tany vaovao.

Io koa àry ! Tsy nilefitra fa mbola manohy ny fitokonany ireo mpiasan’ny fananan-tany. Nihaona tamin’ny tompon’andraiki-panjakana ny solontenan’izy ireo, omaly tolakandro, nahitana ny sendikà telo avy amin’ny fananan-tany, ny fandrefesan-tany ary ny teknisianina. Fototry ny fihaonana ny fandraisana ny soso-kevitra sy ny vahaolana avy amin’ireo mpiasan’ny fananan-tany mikasika ny fandrafetana ny Politikan’ny fananan-tany (PNF) vaovao. Antony, ilaina ny fandraisana ny hevitry ny teknisian’ny fananan-tany amin’ny famolavolana io politika io, nefa tsy natao izany, indrindra            ny any amin’ny faritra, mahafantatra ny antsipiriany isan-toerana avy. Aorian’ny fakana ny hevitr’izy ireo vao tokony haroso hiaraha-midinika amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF).

Miompana amin’ny lohahevitra efatra ny fitakiana

Misy lohahevitra telo hafa koa mbola takin’ny mpiasa, mahatonga izao fitokonana izao. Ilan’izy ireo valinteny mazava ny hanajanonan’ny fanjakana ny fampihantonana ny fangatahana tanim-panjakana. Satria efa vita ny faran’ny taona 2014 ny fitiliana, famantarana (inventaire) ny tanim-panjakana rehetra nefa mbola notohizana indray io fampihantonana io nanomboka ny tapaky ny volana febroary teo. Fahatelo, ny fijerena ny sata manokana mifehy ny mpiasan’ny fananan-tany. Ary farany, ny fitsinjovana ireo mpiasa, satria maro ny fandaharanasan’ny fanjakana, toy ny an’ny filoham-pirenena, ohatra, nefa saika mpiasan’ny fananan-tany avokoa ny 2/3-n’ny olona voakasika amin’ity sehatry ny fananan-tany ity.

Araka ireo, mitohy ny fitokonana ary tsy misy ny asa farafahakeliny eny anivon’ny fananan-tany manerana ny Nosy.

Randria

Cet article Fananan-tany : mitohy ny fitokonana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles