Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Toliara : niakatra ho 600 Ar ny vidin’ny mofodipaina

$
0
0

Niakatra ho 600 Ar izao ny vidin’ny mofo iray aty Toliara, renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, raha 500 Ar teo aloha. “Noho ny fiakaran’ny vidin’ireo akora fanamboarana mofo no nahatonga izany”, hoy ny filohan’ny fikambanana mpanao mofo eto Toliara, Hedaraly Hanif Djafar. Nisondrotra ny vidin’ny lafarinina, ny jiro ary ny solika, satria manafatra lafarinina any Antsirabe ireto mpanao mofo ireto. Olana ho an’izy ireo koa ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasa navoakan’ny fanjakana. Nisondrotra farany ny vidin’ny mofo teto Toliara ny taona 2010, saingy hitombo ho 200 grama ny lanjany raha 170 grama teo aloha.

Eo amin’ny lafiny teknika, tsy tsara ny manamboatra mofo kely noho ny toetr’andro aty an-toerana, satria lasa mafy raha vao tratry ny rivotra ka mamono antoka.

Na maro aza ny lafarinina, ny vokarina avy any Antsirabe ihany no tsara sy azo antoka. Enina ny isan’ny orinasa mpanamboatra mofo eto Toliara, izay tantanan’ny Karana ka mofo 20.000 no vokarina.

CMS

Cet article Toliara : niakatra ho 600 Ar ny vidin’ny mofodipaina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles