Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Besarety : nohavaozin’ny WMG ny toeram-pidiovana, wc, paompy

$
0
0
Besarety 1703

 “Mihevitra ny hafa izahay”. Io ny teny filamatry ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG). Raha ny marina, tsy mijanona eo amin’ny fiheverana izy ireo fa miasa mihitsy ho an’ny mpiara-belona ka anisan’izany ny mponina eny Besarety.

Vita ka notokanana, omaly, ny asa fanavaozana ny toeram-panasan-damba misy toerana 14, paompin-drano, trano fandroana ary trano fivoahana na WC etsy amin’ny fokontany Besarety. Asa izay nandaniana vola mitentina 7,2 tapitrisa Ar, avy amin’ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG).

Miisa 3.023 ny mponina hahazo tombony amin’ireo fotodrafitrasa ireo ka avy amin’ny fokontany telo: Besarety, Avaradoha ary Anjanahary, izy ireo. Mikasika ny toeram-panasan-damba manokana, ankoatra ny renim-pianakaviana eo amin’ny fokontany, hahazo tombony manokana amin’izany ny vehivavy miisa 25, samy mpikarama manasa lamba, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Ranovelona, Razanamanana Miarintsoa Honorine.

Marihina fa tantanin’ity fikambanana Ranovelona ity ireo fotodrafitrasa rehetra ireo. Andoavana 1 Ar isaky ny litatra ny rano, araka ny fenitra iraisam-pirenena, ka olona karamain’ny fikambanana no mamatra sy mandray ny vidin’ny rano. Tompon’antoka amin’ny fikojakojana ny toerana koa ny Ranovelona ary tafiditra ao anatin’izany ny tokony hanoloany ny zavatra simba.

Namaly ny fangatahan’ny fikambanana Ranovelona ny amin’ny hanatsarana ireo fotodrafitrasa ireo ny Wednesday Morning Group, satria mifanaraka tsara amin’ny tanjon’ito farany izany. Tsy inona izany fa ny fahazoan’ny olon-drehetra rano fisotro madio, ny fanatsarana ny andavanandrom-piainan’ny vehivavy ary ny fanabeazana ho olom-pirenena.

Tsiahivina fa fikambanam-behivavy tsara sitrapo ny WMG. Miisa 60 izy ireo eto Antananarivo ka anisan’izany ny vadin’ny ambasadaoron’i Maraoka sy Japon eto amintsika.

Landy R.

Cet article Besarety : nohavaozin’ny WMG ny toeram-pidiovana, wc, paompy est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles