Manohy ny diany eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa ny Paris St Germain. Noravan’izy ireo, tao amin’ny kianja filalaovany, ny nofinofin’ny Chelsea. Nahavita ny valin’adiny ihany koa ny Frantsay.
Tafita hiatrika ny ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions», ny Paris St Germain. Nahatafakatra azy ireo, ny ady sahala 2 sy 2, vitany tao amin’ny kianja Stamford Bridge, nandritra ny lalao miverina, natao ny alarobia lasa teo, izay nikatrohany tamin’ny Chelsea.
Raha tsiahivina, ady sahala 1 sy 1 ny fihaonan’ny roa tonta, teo amin’ny lalao mandroso, natao tany Frantsa, tapa-bolana lasa izay.
Afa-bela ny Frantsay tamin’ity, satria nanakana ny dian’izy ireo hatrany ny Chelsea teo amin’ny dingana toa izao, tamin’ny taon-dasa. Dingana goavana ny vitan’ny PSG satria na nilalao folo aza izy ireo, taorian’ny karatra mena azon’i Ibrahimovic, teo amin’ny minitra faha-32, tsy nilavo lefona hatramin’ny farany.
Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, nitarika an’isa hatrany ny Chelsea. Namono ny baolina voalohany i Cahill, teo amin’ny minitra faha-81. Dimy minitra taorian’izay, nosahalain’i David Luiz.
1 sy 1 ny isa nisarahan’ny roa tonta, hatramin’ny 90 mn nilalaovana. Voatery niditra tamin’ny fanalavam-potoana ny roa tonta. Mbola nanampy isa ho azy indray ny Chelsea, rehefa nahafaty «penalty » i Hazard, teo amin’ny minitra faha-96. Nitarika 2 noho 1 ny ekipan’i Mourinho teo.
Nosahalain’i Thiago Silva, ho 2 sy 2 izany tany amin’ny faha-114 mn ka lavo tanteraka ny ekipan’i Angletera. Niaiky i Mourinho fa mendrika ho an’ny PSG iny fandresena iny, ary tokony «hosazina ny Chelsea», hoy izy. Teo amin’ny lalao ilany, nomontsanin’ny Bayern de Munich, tamin’ny isa 7 noho 0 ny Shakhtar Donetsk.
Ekipa efatra izany, hatreto, ny efa tafita amin’ny ampahefa-dalana : ny Real Madrid, FC Porto, Bayern Munich ary ny PSG. Amin’ny herinandro ho avy io no ho fantatra ireo ekipa efatra hafa ho tafavoaka.
Tompondaka
Cet article Kitra – «Ligue des champions d’Europe» : afa-bela tamin’ny Chelsea ny PSG est apparu en premier sur NewsMada.